Fampiroboroboana ny jono : miara-miasa ny MPEB sy ny WWF

Vita omaly, teny Ampandrianomby, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny WWF ho fampiroboroboana ny jono madinika. Hetsika ho fanohizana ny ezaka ataon’ny minisitera amin’ny fanakalozana sy ny fanangonana ireo antontanisa marina miainga avy eny ifotony mahakasika ny jono madinika eto Madagasikara. Nanao izany sonia izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono, Tilahy Desiré, sy ny talean’ny WWF Madagasikara Ratsifandrihamanana Nanie. Tafiditra amin’izao hetsika izao ny politika ankapoben’ny minisitera amin’ny fampiroboroboana ny jono.

Tsiahivina fa mamelona tokantrano maro sy mampidi-bola ho ana fianakaviana aman’arivony ny jono. Ilaina anefa ny fandrindrana ny jono mba hampaharitra sy hampiroborobo azy ka ho lovain-jafy. Manana ny politika enti-manatanteraka izany rahateo ny minisitera ho an’ny fampandrosoana ny toekarena manga. Mba ho kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena eto amin’ny firenena ny sehatry ny jono.

Henintsoa H.

Partager sur: