Faniry Ezeckiel : hivoaka ny boky « Tantely amam-bolana »

Sabotsy 25 Novambra 2023 ho avy izao, hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Trano­ben’ny Serasera sy ny kolontsaina Akon’Ankaratra. Ha­voaka amin’ny fomba ofisialy ny boky « Tantely amam-bolana », mirakitra tononkalo sy riankalo sanganasan’i Faniry Ezeckiel. Boky 140 pejy. Ahitana lohahevitra miompana amin’ny fiarahamonina sy fitiavana amin’ny fomba fijery manalavitra izay eken’ny besinimaro ho marina. Asa soratra nohaingoana sarinteny maro loko manaitaitra ny nofinofin’ny mpamaky. « Tantely amam-bolana », tsangambato hanamarihana ny faha-10 taona nilomanosany tao anaty literatiora sady fotoana hankalazany ihany koa ny tsingerin-tao­na nahaterahany (24 Novambra).

Hisy ny fifaninanana
Hiavaka tanteraka ny hetsika noho ny fisian’ny fifaninanana hahazoana fanomezana ho an’izay mandresy amin’ny fanehoana ny setrin’ireo sanganasan’i Faniry Ezeckiel. Hisy vazo sy zava-kanto maro loko handravahana ny antsa tononkalo amin’io fotoana io . « Tanjona ny hametraka tantara eo amin’ny literatiora malagasy, ary ho afo tsy ho levon’ny vanim-potoana ny poezia ao anatin’ity boky ity », hoy ny mpanoratra.

Raha tsiahivina, mpandrindra ny Faribolana Sandratra any Betafo i Faniry Ezeckiel. Mpilalao tantara fandefa amin’ ny radio ihany koa. Ani­san’ny tia manome aina sy manetsiketsika ny tontolon’ny soratra any amin’iny faritra iny ity tanora manana talenta amin’ny soratra ity.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: