Herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy : 23 ireo vehivavy niharan’ny herisetra ara-pananahana manerana ny Nosy

Mitombo isan-taona ny antontanisa voaray momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy eto amin’ny Nosy. Efa mihasahy sy mihamaro ny olona mitoroka sy miteny ary manatona ny Sam­pandraharaha ka antony mahatonga izany, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny Bri­gade féminine de proximité.

Maro ny karazana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy miseho eny anivon’ny tokantrano sy ny fiarahamonina. Anisan’izany ny herisetra ara-batana, ara-tsaina, ara-pihariana ary ara-pananahana. 23 kosa ireo vehivavy niharan’ny herisetra ara-pananahana manerana ny Nosy. Tany Fianarantsoa sy Manaraka ny maro anisa tamin’ireo. Manodidina ny 47 ireo lehilahy niharan’ny herisetra ara-batana, raha 363 ny vehivavy, teo anelanelan’ny janoary sy jona 2023, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Brigade féminine de proximité. 332 ny vehivavy niharan’ny herisetra ara-pihariana, raha 22 ny lehilahy. Mahatratra 470 ireo vehivavy niharan’ny herisetra ara-tsaina, raha toa ka 40 ny lehilahy.
“Nahitam-piakarany ireo antontanisa ireo satria aorian’ny fanentanana atao amin’ny olona, tsy mitovy amin’ireo tsy mahafantatra intsony izy ireny”, hoy ny comissaire Bao­vola, eo anivon’ny brigade féminine de proximité etsy Tsaralalana. Nilaza izy fa efa afaka miaro tena. Eo koa ny sampandraharaha azo antonina ary ny lalana arahana manoloana ny herisetra mianjady aminy ny olona aorian’ny fanentanana atao. Manodidina ny 29 ireo niharan’ny herisetra ara-batana, raha ny 2019 no jerena. Niakatra ho 167 izany ny 2020. Lasa 430, tamin’ny 2021. Tafakatra 966 izany tamin’ny 2022, raha ny tatitra voaray hatrany.

218 ireo olona noraisina an-tanana
Ho an’ny eto Antananarivo manokana. Manodidina ny 218 ireo olona noraisina an-tanana manoloana ny herisetra ara-batana izay mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, tamin’ny taona 2022 lasa teo. 192 ny mahakasika ny herisetra ara-pihariana. 212 ny herisetra ara-tsaina. 966 ireo olona noraisina an-tanana momba ny herisetra ara-batana manerana ny Nosy, tamin’ny 2022. 1020 ny herisetra ara-pihariana ary 1 140 ny herisetra ara-tsaina. 84 ny herisetra ara-pananahana. Tany Fianarantsoa sy Antsirabe no nahitana tranga betsaka indrindra.

Lalàna mikasika ny herisetra
Manampy betsaka ny fiarovana ny olona ny fisian’ny lalàna. Maro ny lahatsoratra sy ny lalàna mifehy ny herisetra ary tsy mitsaha-mitombo sy mivoatra ny fametrahana sy fampiharana izany. Anisan’izany, ny Code penale, lalàna mifehy ny fanambadiana, lalàna mahakasika ny fiarovana ny ankizy, lalàna mahakasika ny heloka ana habaka ary ny lalàna mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy.
“Ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy dia milaza ireo herisetra ampiharina amina olona iray noho ny maha lahy na maha vavy azy. Mitarika fahavoazana na fijaliana ara-batana, ara-pananahana, ara-tsaina, na izany eo amin’ny lafim-piainany imasom-bahoaka na eo amin’ny lafim-piainany manokana izany”, araka ny lalàna faha 2019-008 mikasika ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy.

Ampahafantarina ny olona ny lalàna ary lasa fitoriana izany raha sanatria ka mbola miverina ny fanaovana herisetra. Mahavoasazy sy ahazoana onitra aloa ny fanaovana herisetra, araka ny lalàna faha 2019-008, andininy I, andalana 3-12, izay mahakasika ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy. Ireo hetsika fampitahorana, fandrahonana ha­maly faty na valifaty atao amina olona niharana herisetra dia sokajiana ho heloka ary sazina enim-bolana hatramin’ny roa taona an-tranomaizina sy lamandy 100 000 – 1 000 000 Ar, araka ny lalàna. Izay rehetra miray ara-nofo, na inona na inona karazany, natao tamin’ny vady na olona miombom-piainana aminy amin’ny alalan’ny herisetra, fanerena, fandrahonana dia heloka voasazy roa taona ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy lamandy 100 000 – 1 000 000 Ar. Izay rehetra manakana na mametra ny fahafahan’ny vadiny na ny olona miombom-piainana aminy, tsy hisitraka ireo zony mifandraika amin’ny fiharina ara-bola dia saziana lamandy 100 000 – 500 000 Ar.

Brigade féminine de proximité

Sampandraharaha iray eo anivon’ny polisim-pirenena ny Brigade féminine de proximité. Tsy ahitana afa tsy polisy vehivavy ny miasa ao anatiny. Nitsangana tamin’ny 2017 ary efa hita amin’ny faritra sivy manerana ny Nosy izy ireo. Anjara andraikitra sahaniny ny fandraisana an-tanana manoloana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy nanomboka ny taona 2019. Misokatra amin’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka ny tolotra omen’izy ireo. Amin’ny ankapobeny, ny vehivavy no tena betsaka tonga manatona ny sampandraharaha amin’ny tsy fahafantaran’ny olona, raha ny fanazavana.

Sokajin’olona marefo
Miara-miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny miralenta ity Sampandraharaha ity. Mirona kokoa amin’ny fisorohana amin’ny herisetra sy fampahafantarana ny zon’ny olona izy ireo. Tsy mandray fitoriana fa fitarainana, tanjony ny hitsaharan’ny herisetra eo amin’ny rehetra. Mampiantso ireo olona manao herisetra ary mampahatsiahy ny lalàna mahakasika ny herisetra nataony.
Tsy voatery ny vehivavy foana no iharan’ny herisetra fa sokajina ho olona marefo avokoa ireo iharan’izany ka antony andraisan’izy ireo an-tanana ireny. Raisin’izy ireo an-tanana ny herisetra mianjady amin’ny olona efa ampy taona, indrindra eo amin’ny mpivady. Azon’ny olona atao ny tsy manonona anarana amin’ny fitoroana eny an-toerana.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: