Hira ara-pilazantsara: tafajoro Ny Antsa Ministry

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankadindra­mamy, ny fananganana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Ny Antsa Ministry, misehatra eo amin’ny haikanto, indrindra ny hira ara-pilazantsara. Ankoatra ny antoko mpihira Ny Antsa Mass Choir na NMC, ahitana vondrona telo ihany koa mandrafitra Ny Antsa Ministry. « Mitaona ny tanora hahay handray andraikitra mba ho tanora filamatra eo anivon’ny firenena sy ny fiarahamonina ny Ny Antsa Ministry », hoy Rafaliarisandratra Minohasina, filoha mpanorina Ny Antsa Ministry.
Anisan’ny mandray anjara amin’ny fanabeazana ny tanora sy ny ankizy ny fikambanana Ny Antsa Ministry. Ahitana ny « Ny Antsa Mass Choir », ny « Ny Antsa Kids », ny « Ny Antsa labe » ary ny « Ny Antsa Youth Team ». Samy manana ny anjara asany amin’ny fikoloana ny tanora ho andry iankinana ny firenena sy ny fiangonana ireo vondrona efatra mandrafitra Ny Antsa Ministry ireo. Ara-tantara, ny NMC no nijoro voalohany ny taona 2015 ary ho fanatrarana ny taonan’ny fikambanana no namoronana ireo vondrona telo ambiny. Anisan’ny tena iseharan’ny fikambanana ny eo amin’ny sehatry ny hira ara-pilazantsara.

Lin

Partager sur: