INDRAY MIJERY

Notolorana solosaina sy imprimante ireo fitaleavam-paritra ara-pahasalamana misitraka ny tetikasa « Fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony », andiany faharoa na Fafy2. Handray anjara amin’ny fanangonana ireo toro mahakasika ny tetikasa hanamorana ny drafitra sy ny fanombanana ny tolotra ara-pahasalamana any amin’ny faritra ny fampitaovana.

Manentana amin’ny fambolen-kazo ifotony ny Graine de Vie. Mitohy izany any amin’ny faritra Sofia. Hapetraka ny tanin-janakazo hanatontosana ny taom-pambolen-kazo manaraka. Entanina koa ny ankizy mpianatra hanana saina tia miaro ny tontolo iainana. Fotoana latsakorana toy izao no hanaovana ny fambolen-kazo ary mila arahi-maso izany.

Nisy fivoriana nampitain-davitra niarahan’ny BNGRC sy ny filohan’ny kaomisiona teknika sy siantifika ho an’ny fiovaovan’ny toetr’andro, CTCMC, ao Mozambika, ahafahan’ity farany maka traikefa amin’i Madagasikara noho ny traikefa sy fahaiza-manao ananantsika miatrika ny loza voajanahary rehetra toy ny rivodoza, haintany, ….

Tontosa ny fanomanana ara-teknika sy torolalana momba ny fanohanana psikolojika ho an’ny mpianatra amin’ny toe-javatra sarotra, ny faran’ny herinandro teo, tao Toliara, Dren Atsimo Andrefana. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ONG Soafiasive ny asa. Eo ihany koa ny hetsika ho famerenana ny zaza an-tsekoly manerana ny Cisco sivy mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana.

Partager sur: