Kandidà Rajoelina Andry : « Fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka no ho tanterahina »

Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo. Tao anatin’izany no nanaovany fanamby ny amin’ny fanaovana sy fanohizana ny fotodrafitrasa efa natomboka ho famaliana ny filàn’ny vahoaka.

Ny vahoakan’ny distrikan’i Mandritsara, Befan­drina Avaratra, Mana­nara Avaratra ary Sambava indray no nitafa tamin’ny kandidà laharana fahatelo, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony omaly. Ny zava-bitany tanatin’ny vanim-potoana nitondrany sy ny vinany no noresahiny tamin’izany. Nisy ihany koa ny fametrahana fanamby ny amin’ny hanatanterahina fotodrafitrasa manakaiky vahoaka sy ho an’ny vahoaka ary ilain’ny vahoaka. “Tsy misy ny tonga lafatra, fa raha ny fampanantenana sy velirano dia ny 90 % no tanteraka ary mbola maro no ho tanterahina”, hoy Rajoelina Andry, kandidà ho filoham-pirenena.
“Anisan’ny nahavita isika raha oharina amin’ireo mpitondra nifandimby. Tsy hijanona eo anefa fa mbola maro ny asa ho tanterahina”, hoy Rajoelina Andry, nandritra ny fampielezan-keviny. Kianja samihafa manara-penitra, hopitaly sy fampitaovana ao anatiny, sekoly, lalana. Ireo no anisan’ny fotodrafitrasa na­taon’ny kandidà laharana fahatelo, ho an’ireto distrika notsidihiny ireto, nandritra ny fotoam-pitondrany.
Nisy anefa ny fanamby napetrany ho an’ireto distrika ireto. Anisan’izany ny fanaovana “Parc solaire” sy “Usine d’extraction” ho an’ny vokatra lavanila, ho an’ny ao Be­fandrina Avaratra, lalana miainga ao Ambatondrazaka mandalo Mandritsara hatrany Befandrina.

Ankoatra ireo, nisy ny fampanantenana ny hanomezana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny tokantrano tsirairay, ny fahazoana rano fisotro madio, ary ny fanohizana ireo fanamboarana fotodraftitrasa efa natomboka, rahatrizay tafaverina eo amin’ny fitondrana indray ny kandidà Rajoelina Andry.

Lin

Partager sur: