Hotanterahina any amin’ny faritra Boeny, ny 11 novambra hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboara, ligy Boeny, taranja Baolina kitra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana izany, ny 4 novambra lasa teo. Mitondra ny anarana hoe “Alidy Group 2023” ity fifaninanana ity. Miisa 16 ireo mpandray anjara amin’izany. Raha ny fanazavana nomen’i Maeva Portos, filohan’ny ligy Boeny, hotolorana loka goavana izay voahosotra ho tompondaka amin’izany. Marihina fa tafiditra anatin’ny tetikasan’ity lehiben’ny ligy Boeny ity, ny hikarakarana fiadiana ny amboara any an-toerana. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo faritra manana klioba misongadina amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL) i Boeny. Anisan’izany ny Fosa Junior Boeny, tompondaka farany tamin’ny taom-pilalaovana 2022-2023.
F.R
Ireo ekipa 16
mandray anjara :
Sporting (Majunga I), FC Sarobidy (Majunga II), Racing Boeny ( Majunga I), JEA (Majunga II), JTM (Majunga I), EDEN Sport (Marovoay),TFFC (Majunga I), Tsaramandroso RN4 (Ambato Boeny), FC PETERA ( Majunga II), ZOYA FC (Ambato Boeny), FCKB (Majunga I), FTA (Marovoay), FCO (Majunga I), FC ZAM (Marovoay), ASCUM (Majunga I)