«Ligue des Champions 2024» : hanala vela amin’ny Arsenal ny Seville FC

Hotanterahina anio, ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny vondrona « B » amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Arsenal FC, ekipa Anglisy, sy ny Seville FC, klioba Espaniola. Hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Emirates Angleterre ity fihaonana ity.
Mbola manala vela ny Seville amin’io fihaonana io, lavon’ny Arsenal, tamin’ny isa 2 no ho 1, izy ireo nandritra ny lalao mandroso natao tany Espagne. Marihina fa fandresena roa sy faharesena tokana no azon’ny Arsenal nandritra ny lalao telo nataony farany tamin’ity LDC ity. Ady sahala roa sy faharesena iray ny an’ny Seville FC.
Raha ny filaharan’ny vondrona “B”, mitarika eo amin’ny laharana voalohany ny Arsenal manana isa 6, faharoa ny RC Lens France, isa 5, fahatelo ny Seville, isa 2, farany ny PSV Eindhoven avy any Pays-Bas, isa 2. Ankoatra izay, hifanandrina amin’io fotoana io ihany koa ny PSV sy ny RC Lens.

Fitia Randria

Partager sur: