Mpanao mozika sady avara-pianarana : nodimandry i JonHarp, na Ramose Jaona

Ramaroson Mamiharijaona no tena anarany. Fantatra amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny fampianarana ambony, ny fitoriana ny Filazantsara fa indrindra ny mozika izy. Nodimandry, omaly, i JonHarp.

Lavo ny andrarezina. No­dimandry teo amin’ny faha-68 taona ny Rama­roson Mamiharijaona. Mpa­nakanto mpamoron-kira sy mpitendry izy, ary ny fiangaliana ny harpa no tena nahafantaran’ny maro azy teo amin’ny sehatry ny mozika. Ny filalaovana ny hira ara-pilazantsara amin’ity zavamaneno misy tadiny manana feo miavaka ity no tena angadiny, kanefa nahafehy zavamaneno hafa ihany koa i JonHarp. Efa na­morona ny « Davjazzbass», gitara beso vitany manontolo teto Madagasikara aza izy.
Tamin’ny taona 1975 no namoaka ny kapila 45 trs i Jonharp sy ny namany. “Tsinjaka” sy “Feon-kira ho anao”, no voarakitra ao. Maro ireo mahay ny feon-kira, kanefa tsy mahafantatra ny namorona sy ny nitendry azy. Ireo mpankafy mozika ao Antsiranana kosa dia mahafantatra azy, satria mandray anjara amina seho sy hetsika ara-javakanto isan-karazany foana i Jonharp.
Nataonay hoe Jaona DNT na hoe “Derao ny Tompo” ny anarany. Mpanao mozika milalao saxophone be, ankoatra ny harpa izay ilofosany. Mpandala ny “gammes” sy “accord” be koa. Tsy misy izay tsy mahalala azy rehefa mitendry any Antsiranana iny, na amin’ny “festival de jazz” na “jazz day”…Tena olon’ny fo raha i Mr Jaona, araka ny fitantaran’i Tahinavibe Ra­ma­hefason, mpiangaly sy mpampianatra mozika, mpikambana ao amin’ny tarika Solomiral koa.
Sehatra iray nahafantarana azy ny mozika. Sehatra hafa ihany koa ny nijoroany ho mpanompon’Andriamanitra ka nahazoany io solon’anarana “Derao ny Tompo” io. Ankoa­tra izay, Ramose Jaona no tena fantatry ny maro, amin’ny maha mpampianatra mpikaroka azy. Profesora ao amin’ny Ecole Supérieur Polytechni­que, mention Génie Mécani­que, an’ny Oniversiten’Antsi­ra­nana izy. Malagasy voalohany manam-pahaizana na­mokatra bateria mandeha amin’ny ranomasina, azo ham­piasana jiro tsy ankiato i profesora.
Hiala any Antsiranana anio alarobia 08 novambra 2023 ny nofo mangatsiakany. Halevina eny amin’ny fasan-drazany ao Ambohimiarana, Talata Volonondry, ny sabotsy 11 novambra 2023.

Zo ny Aina

Partager sur: