Manampy ny fikarakarana ataon’ny mpitsabo ny fahasalaman’ny saina eny amin’ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana manome fanafody ny fanarenana psycho-social.
«Fandraisana an-tanana, ainga vao ary fanentanana ho an’ireo olona miaina fikorontanana sy tsy fahasalaman’ny saina izany », hoy ny psychiatre, mpikambana ao amin’ny Association Psy-kôzy Madagasikara, dokotera Razafindralambo Kiady Rivo, omaly, teny Faravohitra. Toe-pahasalaman’ny saina azo alamina amin’ny fandraisana an-tanana voamarina sy mazava ny fikorontanana. Fandraisana an-tanana ny maha olona ny fanarenana psykososialy manampy amin’ireo fahasahiranana iainan’ny marary ary manasongadina ireo traikefa sy fahaiza-manao ananan’ireo olona tojo fikorontanana.
Tonga eto Madagasikara ny tomponandraikitry ny Centre de ressources de la réhabilitation psycho-sociale, sady mpampianatra any amin’ny faculté de médecine any Lyon, ny profesora Nicolas Franck. Hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manao hametraka ny ivontoerana fanarenana psykososialy eto amintsika miaraka amin’ny fikambanana Psy-kôzy no anton-diany. Taorian’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, nandritra ny fihibohana, vao nahatsapa ny mpiasan’ny fahasalamana fa betsaka ny olona no tratran’ny fikorontanan-tsaina ka ilana fandraisana an-tanana. Tsy mbola manana ivontoerana na foibe manao fanarenana psykososialy isika eto. Fomba fitsaboana vaovao efa ampiasaina any Frantsa izy ity. « Manantena aho fa hahomby ny fiaraha-miasa eo amin’ny Centre de ressources any Lyon sy ny Association Psy-kôzy hanangana ivontoerana ho fanarenana psykososialy ary azo ampiharina eto Madagasikara ny paikady ampiharina any Frantsa », hoy ity profesora frantsay psychiatre ity.
Atrikasa enina
Mikarakara atrikasa enina eny Faravohitra, mandritra ny hateloana, ho an’ny olon-tsotra sy ny mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina ny fikambanana nanomboka omaly. Lohahevitra enina samy hafa no hifampizarana miaraka amin’ny Frantsay telo manam-pahaizana.
Vonjy A.