Hiditra amin’ny fanatontosana ny amboaran’i Madagasikara indray ny Malagasy Rugby. Fihaonana hamaranana ny taom-pilalaovana 2023. Hiatrika sy hiady izay hahazo izany ireo ekipa ao anatin’ny “Top 12”.
Hivory amin’izay, hanohizana ny fandaharam-potoana eo amin’ny famaranana ny taom-pilalaovana 2023, ny zoma ho avy izao, ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Malagasy Rugby. Raha ny angom-baovao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara no hanakatonana ity taona ity.
Hiatrika sy hiady izany amboara izany, ireo ekipa ao anatin’ny “Top 12” dia ny FTM Manjakaray, ny Cosfa, ny 3FB, ny Uscar, ny TFMA Ankasina, ny STM (Savony), ny TAM Anosibe, ny Mang’ Arts Manjakaray, ny FTBA Andohatapenaka, Ny UASC Cheminots, ny TFA Anatihazo ary ny USA Ankadifotsy.
Fifanintsanana mivantana ny fiadiana ny amboara ka mihintsana avy hatrany izay resy. Miandry any amin’ny ampahefa-dalana avy hatrany ireo ekipa niatrika ny manasa-dalana nandritra ny Top 20 dia ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa miampy ny 3FB sy ny Uscar. Hiady ny toerana efatra kosa ireo 8 ambiny.
Marihina fa mihintsana any amin’ny D2 ny FTAT Anosibe, ny US Ikopa, ny XV Avenir, ny XV FA, ny FBM Itaosy, ny JSTA Ambondrona, ny 3FAI Ambalavao Isotry ary ny SCB Besarety.
Raha ny fantatra aorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny sokajy vehivavy, D1 sy D2, vao hanomboka izany fiadiana ny amboaran’i Madagasikara izany. Tsiahivina fa vao ny lalao mandroso no hany tontosa tamin’ity fifaninanam-pirenena ho an’ny andriambavilanitra ity. Hiditra amin’ny fihaonana miverina ny rehetra manomboka eto. Miisa 5 ny isan’ny ekipa D1 miatrika izany raha 8 kosa ny ao amin’ny D2.
Ho an’ny fifaninanana iraisam-pirenena, tontosa avokoa ireo lalao natrehin’ny Makis de Madagascar, na ho an’ny lehilahy na teo amin’ny vehivavy.
Tompondaka