Nanatanteraka ny fivoriana ofisialy voalohany ny komity mpanatanteraka omaly, rehefa vita ny fitsinjaram-pahefana teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa manana tanjona goavana ny FMF, ny ahitana an’i Madagasikara, any amin’ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis.
Afaka sivy andro, hiatrika ny lalao ihaonany amin’i Ghana ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar. Ny omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, efa tazana nanao fanazaran-tena ireo Malagasy mpilalao baolina kitra eto an-toerana. Anisan’izany, i Tsiry kely, i Rado, i Tendry.
Beckham, Anglisy mpilalao baolina kitra sy Ibrahimovic, suedoa lohalaharana baolina kitra. Samy nanatrika ny lalao nihaonan’ny Paris Saint Germain (PSG), France sy ny AC Milan, Italie. Marihina fa samy efa nandalovan’izy mirahalahy ireo klioba roa ireo fon’izy ireo nilalao.
Basikety, NBA. Taorian’ny fihaonan’ny San Antonio Spurs sy ny Indiana Pacers, tany Etats-Unis. Misy mpilalao roa tena nahasarika ny mason’ny mpanazatran’ny Spurs. Tsy tao anatin’izany ilay frantsay mpilalao basikety, Victor Wembanyama. Marihina fa ity mpilalao ity, anisan’ireo mamiratra amin’izao fotoana izao.