TARATRY ny KANTO

“Convergence”, eny amin’ny Mozaïk An­tsahabe. Fampirantiana zavakanto iombonana izy ity, izay nisokatra omaly ka haharitra hatramin’ny 7 desambra ho avy izao. Ho tazana mandritra izany ny sanganasan’ireo mpanao sary sy hosodoko. Aingam-panahy marolafy, havoaka amina endri-javakanto maro karazana koa no mamoaka ny lohahevitra iombonan’ireto mpanakanto ireto.

Rehefa tsy tazana elaela teny an-tsehatra, teto an-toerana. « … Ny fifampizarana fitiavana sy fi­fa­liana mitohy foana » , hoy i Felaniary! Hanatanteraka « Duo inédit », ao amin’ny « Au comptoir Malgache 4 rue Royale Orleans 45 000 » i Felaniary sy i Lilie. Seho sarotra hadinoina hotontosaina ny alahady 19 novambra, manomboka amin’ny 2 ora (ora any an-toerana).

Lecture en rire. Ny eny amin’ny boriborintany fahefatra indray no handray ny hetsika “Lecture en rire” amin’ity anio ity. Hetsika iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny mpanao hatsikana avy ao amin’ny Be Tige sy ny Gasy Stand Uppers. Tanjon’ny hetsika ny hampiroborobo ny vaky boky sy ny hatsikana.

Atelier Hay. Misokatra indray ny atrikasa karakarain’ny Fondation H, ho an’ny ankizy sy tanora. Atrikasa mahakasika ny fanenomana no atolotr’izy ireo ho an’ny mpanaraka azy mandritra ity volana novambra ity. Ankoatra ny fampiofanana, hisy ny hetsika ahafahan’ireto niatrika ny atrikasa maneho ny nianarany.

Partager sur: