Tsy maintsy milamina !

 

Miseholany etsy sy eroa indray ireo misora-tena ho tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa. Misy ny vondrona izay mipoitra ho mpampihavana tampoka izany. Misy ny milaza ho raiamandreny rehefa tsy hita popoka ny mpitondra fivavahana, izay natao an-tampon’ny loha teo aloha. Ny vazaha rahateo efa nanambara mazava fa tsy te ahalala afa-tsy ny fifidianana. Fanambarana izay mampiova zavatra maro.
Manomboka mivadibadi-dela ny mpanao politika izay nanda tsy hanao fifidianana. Misy ny mivonona ny hiazakazaka faramparany mialoha ny faha-16 novambra. Sitrany ahay mba hitan’ny karatra. Misy dikany lehibe ny fanemoran’ny Vaomiera mahaleotena ny fifanantrehana amin’ny samy kandidà izay tokony ho natao omaly alina. Mbola omena herijika hatrany izay vonona ny hanohy ny dia fa tsy hanary ny 200 tapitrisa Ariariny.
Zava-dehibe ny fandehanan’ny fifidianana, tsy misy lalana afa-tsy io no hisorohana ny mety ho kirizy voizin’ ny sasany ankehitriny. Ny vahoaka no masi-mandidy fa tsy izay milaza ho mpitondra fahagagana rehetra izao. Mpitari-bato vilam-bava. Soa ihany fa nanamafy ny filoham-panjakana misolo toerana amin’ny tsy misy antony tsy ahafahana manao fifidianana intsony.
Inona sisa no andrasana? Ny fahavononan’izay mbola vonona sy resy lahatra ny hifaninana. Tsy misy kandidà na iray aza angamba hanary ny volany. Raha tsy hoe vola tsy nisasarana sy nataon’ny mpamatsy vola fanomezana. Iza no tsy mararim-bola na izany aza? Finiavana kely fotsiny, fampirimana hambom-po mety diso toerana no andrasana dia roso toy tsa mipody koa.
Voalaza fa fitiavana ny taninjakana avokoa ny drafitra sy hetsika tarihin’ny tsirairay ka na inona na inona fivoaran’ny raharaham-pirenena dia iray ny tanjona: Mada­gasikara milamina!

r.r

Partager sur: