Voadaroka sy voaolana : fito mianadahy natakalo 7 000 000 Ar

Sivy andro notazomina an-keriny vao navotsotra izy fito mianadahy. Tompon’antoka tamin’izany ny 25 lahy nitondra Kalach 4 sy Mas 36 roa. Nandoa 7 000 000 Ar ny fianakaviana.

Mahazo vahana ny fakana an-keriny any am-banivohitra Anjozoro­be sy any amin’ny faritra Vonizongo. Fito mianadahy no avotra soa aman-tsara afakomaly, rehefa nandoa an-tsokosoko ny vola 7 000 000 Ar ho takalon’aina ny fianaka­viana. Notazomin’ny andian-jiolahy nandritra ny sivy andro izy ireo. Naolana ny telo vavy, matim-bono kosa ny efa-dahy avy amin’ny fianakaviana iray. Folo lahy nirongo basy mahery vaika toy ny Kalachnikov miisa efatra sy Mas 36 iray no naka azy ireo. Nitombo ho 25 izany teny an-dalana ka samy nanao herisetra tamin’izy fito izay lasibatra. “Mitety vohitra izahay ny alina, mijanona kosa rehefa atoandro. Tsy misy zotra mazava fa mivenjivenjy anaty vohitra”, hoy ny fijoroana vavolombelon’ireo lasibatra, izay monina any amin’ny kaominana Maha­velona, distrika’Ankazobe. Tovovavy 17 taona no zan­driny indrindra raha lehilahy 29 ny zokiny tamin’ny olona nalaina an-keriny.

Lemizana
Araka ny fanadihadiana natao tany ifotony dia fantatra fa izany Rabevolamena izany na i Lemizana no lehiben’ity andian-jiolahy mampitondra faisana ny faritra vonizongo ity. Olana mampanano sarotra ny fikarohana ny tahotry ny mponina azy. Misafidy ny tsy miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana rahateo ny fianakavian’ny lasibatra noho ny tahotra valifaty.
“Tsy hilaozan’izay misy olona mety hamadika anay ka aleo mangina”, hoy ny ray aman-drenin’ireo tanora takalonaina.
Araka ny fantatra, ahina ho misy mpitandro filaminana amin’ny olon-dratsy. Misy izany “serzà” izany maty novonoin’ny namany tany anaty ala, mandritra ny fitazomana azy fito mianadahy. Tsy mi­sangy fa mandatsaka aina ny olon-dratsy rehefa tsy mifankahazo, raha ny fitantaran’ireo nalaina an-keriny.

r.r

Partager sur: