Zoma.mg : tsena niomerika vaovao omen’ny Telma

Manamafy ny fahavononany hanatsara ny tolotra ho an’ny mpanjifany ny Telma. Anisan’izany ny fiaraha-miasany sy ny Zoma.mg, nomena ny lohahevitra «Black No­vember». Ahitana ny tolotra samihafa mivantana amin’ny alalan’ny tsena niomerika «Marketplace Zoma.mg».

Tanjona ny hanatsarana sy hanakaikezana hatrany ny mpanjifa, tsy andaniana fotoana sy ny fivezivezena. Hita ao anatin’ny tambajotra E-Shop Telma ao amin’ny adiresy elektronika (site) Zoma.mg, ny tolotry ny Telma rehetra.

Nomarihin’ny Adminisitra­tera, tale jeneraly (ADG) ny Telma, Patrick Pisal Hamida, fa «manan-danja ity fiaraha-miombon’antoka amin’ny Zoma.mg ity. Ahafahan’ny mpanjifa mampiasa ny tolotra marobe ity fifanarahana ity, manamora ny fahazoana ny vokatry ny Telma, nefa koa manamora ny fanomezana izany ho an’ny mpanjifa».
Fihenam-bidy mandritra ny novambra
Misy fampihenam-bidy manokana amin’ity volana novambra ity. Novaina ho «Black everyday» ny «Black Friday» mahazatra. Izany hoe, isan’andro ny fihenam-bidy amin’ny vidin’ny finday fa tsy ny alakamisy irery ihany. Manampy izany, mihena ho 99 000 Ar ny tolotra I-feel, raha tokony ho 129 000 Ar, miampy fanampiny (bonus) 1GO isam-bolana mandritra ny enim-bolana. Mihena ho 249 000 Ar ny S-prime ahazoana fanampiny 2GO. Mai­maimpoana ny fanaterana ny entana ho an’ny fividianan-javatra mihoatra ny 100 000 Ar.

Njaka A.

Partager sur: