Ambodimita : norarahana lasantsy ny biraom-pokontany

Niredareda nandritra ny ora iray ny afo teo amin’ny biraom-pokontany Ambodimi­ta, boriborintany fahenina, afakomaly alina. “Nahare olona nikasokasoka tao ivelan’ny trano izahay ary nisy fofona lasantsy noho ny avy eo”, hoy ny nambaran-dRahani­triniaina Lalao, izay mifanalo-bodirindrina amin’ny biraom-pokontany. Nirehitra ny tohatra eo amin’ny trano misy ny biraom-pokontany ka nivoaka avokoa ireo mponina manodidina. “Namoaka rano tamin’ny zerikanina namonoana ny afo izahay”, hoy io ramatoa io. Vao mainka anefa nahazo vahana ny afo vokatry ny lasantsy nandoran’ny olon-tsy fantatra azy. “Ahina ho resaka politika no anton’izao ankasoparana izao”, raha ny fana­zavan’ny sefo fokontany, Ratsim­bazafy Malalatiana. Voafehy ny afo taorian’ny fifanomezan-tanan’ ny fokonolona. Tratra teo amin’ ny toerana nitrangan’ny loza ny potika zerikanina sy tavoahangy ahin’ny fokonolona ho nitondran’ireo olon-dratsy ny lasantsy. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny polisim-pirenena.

Tsiferana R.

Partager sur: