Bala tetsy Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana lalina

Bala iray fampiasa amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika nilatsaka tamin’ny tany nandritra ny savorovoro, tetsy Mahamasina, omaly. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Karohina ny tompon’antoka nitondra ny fitaovam-piadiana ka nahatonga ny bala tena izy iray nilatsaka teny Mahamasina, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana, omaly. Nandritra ny sakoroka nifandonan’izy ireo sy ny mpanaradia ny vondron’ny kandidà 10 izay nampirefotra ny lakrimozenina. “Tsy nampiasa basy mahery vaika na basy poleta fa basy manana bala caoutchouc no nampiasaina”, hoy ny fanazavan’ ny polisin’ny kaomisaria central. Misokatra ny fanadihadiana lalina manoloana io fahitana bala tena izy teny an-toerana io, noho izany tranga izany miteraka fanakorontanana saim-bahoaka.

Olona roa naratra
Olona roa naratra ary telo voasambotra nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpo­m­ba ny kandidà miisa 10 teo Mahamasina. Niezaka nanaparitaka ny vondron’olona ni­ha­trana teny an-toerana ny mpitandro filaminana saingy nanda izany ireo mpitokona. Nirefotra ny lakrimozenina. Voasambotra ny lehilahy roa voalaza ho mpikarama an’ady “gros bras” nikasa hanakorontana. Efa nalefa nody ireto farany. Nentin’ny zandary nihazo an’i Fiadanana koa ny solombavambahoakan’ny boriborintany fahadimy, Fetra Ralambozafimbololona. Nirohotra ireo mpitokona teo Mahamasina ka nitora-bato sady nandoro kodiarana. Vokany, voatifitry ny bala “caoutchouc” teo amin’ny vavany ny lehilahy iray. Ve­hi­vavy iray hafa naratra tongotra nipitihan’ny lakrimozenina.

Randria

Partager sur: