Barea : notoloran’ny FMF baolina

Afaka valo andro, izany hoe, ny 17 novambra ho avy izao, hifanandrina amin’i Ghana any an-toerana i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakilan’ny “Mondial 2026”. Ho fiatrehana izany, notoloran’ny filohan’ny Fede­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­ma­nampisoa Alfred, fitaovana toy ny baolina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Entina hampiasain’izy ireo mandritra ny fifanintsanana rehetra izay hatao amin’ity fifaninanana ity izany.
Marihina fa manana tanjona goavana ny FMF, hiatrehan’ ny ekipa nasionaly malagasy ny “Mondial 2026”. Raha ny filazan’ny filohan’ny FMF, fisantarana fotsiny ity fanohanana ity. Tonga nandray izany teny an-toerana ny mpanazatran’ny Barea de Madagascar, Rakotondrabe Romuald Félix na ny Coach Rôrô sy i Gilles Hugon, mpanampy ity Malagasy mpanazatra ity. Ankoatra izay, ny 20 novambra ho avy izao, any Maroc, hifandona amin’i Tchad ny Barea. Tsara ny mampahafantatra fa ao anatin’ny vondrona “I” no misy antsika amin’ity fiadiana ny tapakila ity. Anisan’ireo miady lohany amin’izany, i Madagasikara, Mali, Comores, République Centrafrique, Ghana ary Tchad.

Fitia Randria

Partager sur: