Hivoaka, anio hariva, raha tsy misy ny fiovana ny fehinkevitry ny fihaonana mikaton-trano natao teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nitarika ny fanelanelanana tamin’izany ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny filohan’ny FFKM sady filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, ary ny jeneraly misotro ronono, Ramakavelo Desiré.
Anisan’ny noraisin’izy ireo tamin’izany ny vondron’ny kandidà 10 sy ny solontenan’ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny, amin’ny alalan-dRamiarinjatovo Marc. Tsy tonga teny an-toerana kosa ny solontenan’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry.
Efa nisahana andraikitra ambony…
Maherin’ny 20 ireo niatrika izany fihaonana, tsy azon’ny mpanao gazety natrehina izany. Ahitana ireo jeneraly manamboninahitra, efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena tamin’ireo mpitondra nifandimby. Ny avy amin’ny sendikàn’ny mpitsara (SMM) sy ireo efa minisitra teo aloha.
Tsy nisy nipika ny dinika naharitra ora telo teo ho eo ary nisafidy ny hangina tsy niresaka amin’ny mpanao gazety rahateo ireo kandidà, nivoaka ny efitrano. Na izany aza, tombanana fa anisan’ny voaresaka ny momba ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena.
Synèse R.