Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny baolina kitra ny fiparitahan’ny vaovao tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, fa hiova endrika ny fifaninanana “Chan” ka afaka mandray anjara ireo mpilalao mpila ravinahitra.
Navoakan’ny gazety Sport news Africa, ny talata 7 novambra lasa teo, fa hiova endrika manomboka izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Chan”. Marihina fa fifaninanana natokana ho an’ireo mpilalao tsy mila ravinahitra no nanaovana azy io, saingy, izao asiam-panovana izao.
Nambaran’ilay gazety fa hisokatra ho an’ireo mpilalao mpila ravinahitra mifaninana eto Afrika fa tsy any Eoropa, ny fihaonana, manomboka izao. Tsiahivina fa hampiantrano ny andiany fahavalo, i Kenya, ny volana septambra 2024. Nilaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF) fa mbola hodinihin’ny komity mpanatanteraka ny momba ity fanovana kasaina hapetraka ity. Ny fivorian’izy ireo izany no hany hanapaka na ho hankatoavina na tsia. Araka izany, tsy mbola misy zavatra ofisialy ny amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, ity. Anisan’ ireo, nitsirian’ ny hevitra hampilalao ireo mpila ravinahitra eto Afrika, amin’ity Chan ity, i Patrice Motsepe, filohan’ny CAF. Ny taona 2009 nisian’ny fifaninanana voalohany ary tanterahina isaky ny 2 taona izany ka firenena 16 ny mandray anjara, amin’izy ity.
Anisan’ireo efa nandray anjara tamin’ny Chan, andiany fahafito, natao tany Algerie, ny Barea ary nandrombaka ny medaly alimo. Ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, nanambara fa anisan’ireo nanolotra io hevitra io ny tenany. Ny hampisongadina ireo afrikanina mpilalao ho hitan’ireo mpitily eoropeanina no tanjona amin’ izany. “Mety amin’ny Barea de Madagascar io fanovana io, maro ireo Malagasy milalao aty amin’ny kaontinanta Afrika”, hoy ity lehiben’ny FMF ity.
Tompondaka