KMF/Cnoe: “Miharatsy ny kalitaon’ny fampielezan-kevitra”

Nanao tatitra ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, oma­ly, tetsy Antanimena. Anisan’ izany ny momba ny zotram-pifidianana ka nilazan’izy ireo fa ny omaly tsy miova ihany izany. “Mihen-danja sy miharatsy kalitao ny fampielezan-kevitra. Tsy ampy ny fanabeazana sy fanaikana ny mpifidy ataon’ny Ceni eny amin’ny haino vaky jery indrindra any amin’ny faritra ivelan’Antana­na­rivo. Mitondra valin-kafatra tamin’ireo fanakianana nahazo azy ireo fotsiny ny hafatra nampitainy”, hoy izy ireo. Nambaran’ny KMF/Cnoe fa mahazo laka ny fizarana mety manohintohina ny fahafahan’ny tsirairay hisafidy. Ani­san’iza­ny ny vola sy ny fampitaovana. Zara fa misy ireo afisy eny amin’ny toerana natokana ho amin’izany, araka ny fa­nam­barana.
Nohitsin’ny KMF/Cnoe fa maro ireo didy aman-dalàna tsy manaraka ny toetrandro intsony ka vao mainka manasarotra ny toe-draharaha.
Mitaky tatitra mazava avy amin’ny rafitra mpanara-maso ny fitantananam-bolan’ny kandidà “CCFVP”, momba ny vola rehetra nokirakiraina koa izy ireo.
Nampanantena ny KMF/ Cnoe fa hanara-maso ny fifidianana hatrany ny fikambanana ka handrakotra distrika 75 amin’ireo 119. Iarahana amin’ny Frankofonia ny 50 amin’izany. Maherin’ny 800 ireo mpanara-maso hanatanteraka ny hetsika ka mijanona any amin’ny foibem-pifidianana ny 679 raha mivezivezy kosa ny 99.

Synèse R.

Partager sur: