Hanao ahoana ihany ny fifidianana? Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olompirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Amin’ny maha olompirenena, entanina hatrany izy ireo handray anjara amin’ny latsabato na hanao vato fotsy aza”. Fanehoan-kevitra…
“Manana zo maromaro ny olompirenena: raha resy lahatra amina kandidà iray izy, manan-jo manohana azy; raha tsy resy lahatra amin’ireo kandidà, manan-jo hanao vato fotsy na tsy mifidy. Amin’ny maha olompirenena, entanina hatrany izy ireo handray anjara amin’ny latsabato na hanao vato fotsy aza.” Io ny fanehoan-kevitry ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olompirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Eny, na manan-jo tsy hifidy aza izy. Araka ny lalàna, tsy voatery atao sady tsy misy sazy ny tsy fandehanana mifidy.
“Na izany aza, ho anay fikambanana: manentana hatrany hoe tsara ny mandray anjara hatrany amin’ny fifidianana, na manohana kandidà na misafidy ny iray amin’izy ireo na manao vato fotsy”, hoy izy. Zon’ny olompirenena koa ny mitaky ny rariny, raha vao voatohintohina ny zony momba izany. Anisan’ny olompirenena izay ny mpirotsa-kofidina; raha mahatsiaro fa voatohintohina ny zony, zony ny mitaky fitovian-jo. Raha mifanandrify ny hetahetan’ny olompirenena sy ny kandidà dia izay no ifanohanana. Na mifanohana amin’ny fandaniana kandidà, na mifanohana amin’ny fitakiana fanitsiana na fampitovian-jo. Voararan’ny lalàna ny manakorontana na mitaona ny olona hifankahala. Tokony hojerena ihany izany ny famerenana ny fanajana ny lalàna momba ny zo amin’ny fanehoan-kevitra.
Mila hamarinina hatrany ny vaovao
Tsara mitandrina hatrany ny olompirenena amin’ny fandraisam-baovao: mikaroka, mampitaha fa tsy manaparitaka izany avy hatrany. Amin’ny fotoana toy izao ny fanararaotan’ny olona mizara vaovao mety hanaratsiana na hanatsarana olona na vondron’olona, nefa tsy voaporofo ny fahamarinan’izany ao ambadika. Aoka tsy ho faly mizara vaovao fotsiny, fa henoina sy hamarinina aloha ny andaniny sy ny ankilany. Lasa olana ho an’izay manao azy ny filazana vaovao tsy marina. Na malalaka aza ny fanehoan-kevitra, tokony ho ny marina hatrany no resahina. Ilaina koa ny hoe: ahoana ny fanamarinana vaovao amin’ny tambajotran-tserasera, ohatra, mba hialana amin’ny tsaho?
R. Nd.