Nandia fiovana lehibe ny tontolon’ny hira sy ny fivoarany. Teo anelanelan’ny taona 1958 ka hatramin’ny 1972, niroborobo fatratra ny tarika mpihira manana mpikambana maro. Ny ankamaroany, nihoatra ny folo mianadahy. Tsy nanana olana izy ireny raha te hanatanteraka seho any ivelan’ny Nosy. Tahaka izany koa ny fitetezam-paritra teto an-toerana. Io ny vanim-potoana tena nampisongadina sy nampivelatra ny vakodrazana isam-paritra.
… Taona 1980, nanomboka sarotra sy lafo ny fanatanterahana dia (fitetezam-paritra), indrindra fa ny fivoahana any ivelany. Ankehitriny. nihena tsikelikely io isan’ny mpikambana isan-tarika io. Amin’izao vanim-potoana izao, zara raha misy roa na telo, satria, « te ho lasa lavitra » ! Iray na roa na telo ny mpikambana mandrafitra ny tarika iray raha hikendry ny hivoaka any ivelany. Raikipohy mitady hibahana ny tontolon’ny fivelaran’ny hira malagasy. Fahiny, nisy ny tarika Razafimahefa, ny tarika Odéam Rakoto, sns, nanana mpikambana maherin’ny 10 kanefa afaka nanatanteraka seho tany amin’ny toerana sy firenena maro, satria, mbola nanana ny lanjany ny zavakanto !
HaRy Razafindrakoto