Sary pika : nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Festival Sar’nao »

Ambohipihaonan’ny mpankafy sary pika indray, ny eny amin’ny AFT Andavamamba, mandritra ity volana ity. Misy ihany koa ny fampirantiana ireo sary nampiasana famaitso, izay vokatry ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana Sar’nao.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo AFT Andavamamba, ny hetsika « Festival Sar’nao », andiany faha 14, miara-dalana amin’ny « mois de la photographie ». Nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 30 no­vambra 2023. Ankoatra ny fampirantiana, hisy ihany koa ny atrikasa sy fampiofanana ary fifampizarana maro samihafa. Tsy ny eny amin’ny Aft Andavamamba ihany, fa maro koa ny ivontoerana mandray ity « Festival Sar’nao » ity.
Rantin-tsary miavaka kely no aseho eny an-toerana mandritra ny hetsika. Ny ma­hakasika ny “Anthotype” sy ny “Photogramme”, izany hoe, sary nampiasana famaitso (Chlorophyle), ka lasa haikanto miavaka no hita eny. Tsara ny mampahafantatra fa vokatry ny atrikasa sy fampiofanana natao nanomboka ny volana septambra 2023 ireo ha­ranty ireo. Miisa 80 ireo mpianatra niara-nisalahy nanao ireo sary miranty eny an-toerana.
Raha tsiahivina, anisan’ny hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny sary pika eto Ma­da­ga­sikara, ny “Festival Sar’nao”, ary zary lasa ambo­hipihaonan’ny mpaka sy ireo mpankafy sary pika ny volana novambra hankafizana sy hifampizarana traikefa ary ny fahaiza-manao. Amin’ity andiany faha 14 ity. Tanjona ny hampiroborobo ny fidirana sy ny fandraisana anjara amin’ny fiainana ara-kolontsain’ny olom-pirenena, amin’ny alàlan’ny fanabeazana ara-haikanto, fanofanana matihanina ary sehatra fianarana hafa eo amin’ny tonto­lon’ny Sary pika.

Lin

Partager sur: