Ady hiragasy eny Ampefiloha. Tsy mangina mihitsy ny Kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha, rehefa alahady. Fantatra fa hifanandrina ny 12 novambra ho avy izao ry Rafaralahy Raymond sy ry Ratovoelison Etienne avy eny Ambatonapoaka. Manomboka amin’ny 10 ora maraina dia efa raikitra ny fifandonana voalohany.
Antsam-piderana eny Mahamasina. “Tsy maintsy misandratra i Jesosy”, ny lohahevitry ny fiderana an-kira lehibe eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny alahady 12 novambra ho avy izao. Tarika sy mpanakanto maro no hanafana izany, toa an’i Joseph d’Af, Tana Gospel Choir, Sampana Miaramilan’i Kristy, Rahalahy Liva, Naina Rirri Rahalahy, Dj Denis & Aldo, Bolida & Maera.
Manomboka sahirana ny mpanamboatra zavamaneno eto an-drenivohitra. Mihavitsy ireo akora fototra hoenti-miasa. Manampy trotraka, sarotra ny mamboly ny karazan-kazo. Matetika, tsy tonga na tsy mahazo ny habe tadiavina izy ireny rehefa afindra. Vahaolana naroson’ireto mpanamboatra zavamaneno ireto ny hananana valan-javaboahary arovana amin’itony karazan-kazo itony.
“Journée culturelle chinoise”. Tanterahina eny amin’ny oniversite Ankatso, ny sabotsy 11 novambra 2023, ny “Journée culturelle chinoise”, hetsika hampahafantarana sy hanehoana ny kolontsaina Sinoa. Anisan’ny ho hita amin’izany ny haify sy haikanto maro samihafan’ny Sinoa. Ankoatra izay, hisy ny lalao sy fanentanana maro samihafa.