Telma : hanomboka ny internet «fibre Go»

Tolotra vaovaon’ny Telma eo amin’ny lafiny internet ny «Fibre Go». Matanjaka, tsy miovaova, sahaza ny rehetra, satria azo ampiasaina mandritra ny iray volana ny tanjaka 150Go, amin’ny sarany 99 000 Ar. Nilaza ny administratera tale jeneraly (ADG) ny Telma, Patrick-Pisal Hamida, fa «nanova ny andavanandrom-piainantsika ny revolisiona niomerika. Miezaka hatrany izahay manapariaka ny fifandraisan-davitra «fibre» ho zakan’ny besinimaro».

Nanamafy izany ny tale jeneraly lefitra ara-teknika ny Telma, Randrianasolo Joel Andrinirina, fa «hitondra dingana fampandrosoana vaovao ny hamaroan’ny mampiasa tambajotra sy ny fitomboan’ny mpanjifa. Tanjonay ny hanomezana fifandraisan-davitra ny «Fibre» zakan’ny rehetra».
Nilaza ny tale jeneraly lefitra misahana ny varotra, Bertrand La Croix, fa «afaka mampiasa ity tolotra ity daholo ny sokajin’olona rehetra, toy ny mpianatra, ny mpandraharaha, ny mpiasa tena entiny hampiroboroboany ny fihariany avy».

Tsy nitsahatra nampiasa vola hanitarana ny tambajotra ny Telma, nanomboka ny taona 2008. Mirefy 11 000 km ny «fibre Backbone» ato anatiny, ary miisa efatra ny fifandraisana iraisam-pirenena. Nomarihin’ny ADG, Patrick-Pisal Hamida, fa handrakotra an’i Madagasikara ny tanjaka 4G hatramin’ny faran’ny taona 2023, sady hafainganina ny hidirana amin’ny 5G.

Njaka A.

Partager sur: