Avo lenta loatra ilay kajikajy any anatin’ny filalaovana politika eto Madagasikara. Mibaribary fa viraviraina ilay vahoaka. Lalaovina ny fony, tsinontsinoavina ny hambom-pony ka atao sorona ny ainy. Mafy loatra ny fitiavam-pahefana ka tsy mahandry tantana. Mipololoatra toa tsy hay vonoina ny vainafon’ny fankahalana ka mitrifana. Indrisy anefa, mirona amin’ny fanosehana olona hifamono sy hamono tena.
Iaraha-mahita fa mihantsy ary efa mamaly mpitandro filaminana ny vahoaka. Mikasi-tanana sy mandratra ihany koa. Ny mpitandro filaminana izay mariky ny fiandrianam-pirenena sy ny fisian’ny fanjakana mahefa. Ahoana no tsy hiaro tena izy ireo? Ahoana no tsy hamaly ny fisotasotana izy ireo? Sanatrian’ny vava, hivadika amin’ny lalàna sy ny sata mifehy ny asany vé? Kanefa mitaky fanajana lalàna ny mpitolona na ny mpanao fihetsiketsehana.
Tafiditra any anatin’ny paikadin’ny tia fahefana tafahoatra ilay Malagasy. Miroso tsikelikely any amin’ny ady an-trano sy fifamonoana. Efa tafiditra any amin’ny fifampidarohana, an-kibatabata, manginy fotsiny, ny fifanopana sy fifampitenenan-dratsy.
Mampihoron-koditra ny kisary mety havoakan’ny ampitso. Ilay samy madinika no mifampihinan’ny mangidy. Mbola hiaraka hizaka ny vokany ihany koa. Ny mpanao politika mandrehitra ny afo fotsiny. Mila fandinihana lalina sy fahaiza-mamindra tsy ho folaka an-dantony.
r.r