Airtel-SG Madagasikara : Ekena ny fifanakalozam-bola niomerika

Nampahafantarina ny besinimaro, omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Airtel Money sy ny banky Société générale (SG) Madagasikara. Fifanarahana mifantoka amin’ ny fahafahana mampifandray ny kaontim-bola eo amin’ny roa tonta. Izany hoe, azo atao ny mandefa vola avy amin’ny kaonty Airtel Money mankany amin’ny kaonty banky SG, na koa ny mifamadika amin’izay. Azo atao ny manao izany any amin’ireo toerana Cash point mahatratra 20 000 ampiasain’ny Airtel Money manerana an’i Madagasikara.
Samy mahazo tombony amin’ity fiaraha-miombon’antoka ity ny mpanjifan’ny andaniny sy ny ankilany. Nilaza ny tale mitantana ny tsena (marketing) ao amin’ny Airtel Money, Rtoa Raharilalao Julie, anisan’izany ireo mpampianatra any ambanivohitra, satria tsy mila miakatra an-tanàn-dehibe intsony maka ny karamany, fa azo raisiny mivantana eny amin’ny tanàna misy Cash point.
Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Airtel Madagasikara, fa «mifanojo ny tanjona eo amin’ny Airtel sy ny sampandraharaha ara-bola, hampivelarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa». Nanamafy izany ny tale jenerely ny Airtel Money, Mohamed Cisse, fa «manome antoka sy manamora ny fiharian’ireo mpanjifan’ny Airtel, maherin’ny 1 tapitrisa ity tolotra vaovao ity». Marihina fa maherin’ny 300 000 koa ny isan’ny mpanjifan’ny banky SG Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: