Somary nangingina ny tanàna omaly. Nilamindamina ny teto an-drenivohitra amin’ny ankapobeny. Samy miandry izay hiafaran’ny toe-draharaha politika, enina andro mialohan’ny fotoam-pifidianana. Ny mpanao fampielezan-kevitra mandeha, ny mpamory vahoaka tsy miala an-daharana. Manoloana izany ny vahoaka madinika no mizaka ny tsy eran’ny aina. Aiza rey olona no misy kilaom-bary efa ho 3500 Ariary ! Mbola mampanahy aza ny hiakaran’izany amin’izao fotoan’ny maitsoahitra izao.
Tsy ho voasakana ny ho fiakaran’ny vidim-piainana raha jerena ny fizotry ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. Hita sy tsapa fa any amin’ny tsy mivonto no manainintaina. Ilay tolona hatao dia mivadika kilalaon’ny mpitady tombontsoa manokana. Iza no mahita raha misy sokajin’olona hafa mihitsy mandrehitra ny afo, ankehitriny. Vondrona izay mety manilika ny kandidà 13, mikendry ny hitondra firenena aman-taonany: hena an-tanan-tsaka ?
Tsy ho azo hodian-tsy hita ny fihazakazaky ny fifamonoan’ny samy Malagasy. Iza no mampirisika ireo olon-tsotra mahasahy midaroka mpitandro filaminana ? tsy maintsy ireo mpiantsehatra ao anaty ao ihany. Tsy mahagaga raha nilaza ny Emmo-Reg fa misy balan’olon-kafa mihitsy any anaty mpanao fihetsiketsehana. Sao diso kajy aza ireto vahoaka tsimandadiharona ireto ? Rebirebena amin’ny sarintsarin’ady amin’ny kandidà tokana fa mametraka tsikelikely ny fahefana ho an’olon-kafa. Sady tsy volomboasary no tsy izy 12 mirahalahy hafa.
Efa niely rahateo ny feo, izay fahamarinana mbola ho porofoina. Misy miketrika hametraka praiminisitra miaramila any ambadimbadika any ( ilana fanadihadiana lalina). Mitady hamaka ny sasany izay nampindramina fahefana. Milalao antsy roa lela sady mahay atsy no manandrakandrana eroa. Tsy hay mazava ny fitsipi-dalaon’izy ireny fa ny madinika ihany no ho mbola madinika. Sady miharitra politika maloto, no miady amin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Indroa mahita ny maizana toa tain’omby nasesika an-dava-bary. Betsaka no diso kajy amin’ny famakafakana…
r.r