Namoaka ny fehinkevitra taorian’ny fihaonana samihafa nataony ho an’ny eto an-toerana sy ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vovonan’ ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), sy ny FFKM. “Tokony haato ny zotram-pifidianana ary hamerina hamaritra ny fampiharana ny zotram-pifidianana hifanaraka amin’ny lamina iraisam-pirenena araka ny toromariky ny Sadc sy ny Vondrona eoropeanina”, hoy ny Pan, Razanamahasoa Christine, namaky ny fanambarana teny Tsimbazaza, omaly. Niantso ny hampiatoana ny fampielezan-kevitra sy ny fidinana an-dalambe koa izy ireo manomboka izao, ahafahana miroso amin’ny fikaroham-bahaolana ankatoavin’ny rehetra. Nentanin’ny vovonana ny mpitandro filaminana hanao ny asany am-pahamendrehana sy ara-dalàna ary handray fepetra araka ny tokony ho izy. Notsiahiviny koa fa eo ny ahiahy amin’ny korontana sy ny tsy fahafenoan’ny fepetra takina amin’ny fifidianana ary ny tsy fanajana ny fenitra iraisam-pirenena.
Synèse R.