Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Lavo ny dahalo mpikotrika halatra omby. Nitsoaka mpitandro filaminana nisambotra azy, atidoha mpikotrika halatra omby roa lahy maty voatifitra tao amin’ny kaominina Tamponala, afakomaly. Nosamborin’ny zandary izy roa lahy ireo. Nentina atao famotorana eny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ao Mahasolo. Nandositra anefa ireo dahalo. Tsy nety nijanona ka maty voatifitra. Raha tsiahivina, efa voasambotra ka maty voatifitra ny lehiben’ireto dahalo lavo ireto tao Ambatofotsy, ny 31 oktobra teo. Iray hafa azo sambo-belona tao Amparihibe Imanga, ny 5 novambra. Tratra teny aminy ny basim-borona roa niampy bala. Natao fanadihadiana io lehibena dahalo io ka nitoroka ireto namany roa maty voatifitra ireto.
Fantatra ny mpandray omby halatra
Nandritra ny famotorana lalina io dahalo raindahiny io tao amin’ny biraon’ny zandary, tao Ambatoasana afovoany, niaiky heloka tokoa izy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana azy avokoa ireo mpandray ny omby halatra sy ny mpampanofa ny fitaovam-piadiana entin’izy ireo manatanteraka ny asa ratsiny. Manohy ny fikarohana ireo olona voatonontonona anatin’izany ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.