Isotry- Mpiantsena maraina : voatsatoka antsy teo amin’ny tendany

Sady voaendaka no voatsatoka antsy ny renim-pianakaviana iray, omaly, teny Ambalavao Isotry. Notrobarana ny tenda sy ny takibany raha hamonjy fodiana avy naka entana maraina.

Nendahin’ny jiolahy roa nitondra antsy lavalela ny renim-pianakaviana iray 36 taona teny Ambalavo Isotry, omaly vao maraina. Notsatohan’ireo olon-dratsy antsy izy, raha nikasa haka fiara eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eny Ambalavao Isotry. Avy naka entana teny amin’ny mpamongady legioma, teny amin’ny « Petite Vitesse » izy. Nifanehatra ta­min’ny jiolahy, teo Ambalavao Isotry akaikin’Ambodifia­kara­na. Norahonan-dry zalahy izy mba hamoaka ny vola tany aminy. Nilaza ho tsy manam-bola intsony izy fa saran-dalan’ny taxi-be sisa no tany aminy. « Nentin-katezerana ireo olon-dratsy ka notsatohan’ny iray ny antsy ny tendany sy ny takibany. Nitolefika nianjera ity renim-pianakaviana niharam-boina ity. Lasan’ireo mpangalatra ny gony feno legioma nololohaviny. Naja­non’ireo mpanendaka kosa ny harona teny an-tanany feno voatabia sy tongolo », hoy ny fianakaviany.
Mipetraka eny amin’ny fokontany Mananjara Andre­fan’Ambohijanahary izy. Mpi­varotra legioma ny asany. « Fanaony ny maka entana eny amin’ny Petite Vitesse na eny Anosibe », araka ny fanazavan’ny rahavaviny.

Volabe…
Voalaza fa anana, laisoa, sofolera, niampy karazana legioma hafa no tao anatin’ilay gony nololohaviny. «  Nihevi­tra ireo jiolahy nanendaka azy fa misy volabe any aminy, kanjo efa tapitra nividianany entana ny vola rehetra », araka ny fanazavan’ny rahavaviny hatrany, teny amin’ny hopitaly. « Soa ihany fa tsy nilentika lalina ny antsy fa nisolifatra ka avotra soa aman-tsara ilay niharam-boina », hoy kosa ny tomponandraikitra nanontaniana teny amin’ny toerana nitsaboana azy.
Olona sendra nandalo no nanavotra azy ka nampandre ny fianakaviana sy nanatitra teny amin’ny hopitaly. Toe­rana ifamezivezen’olona maro ny Petite Vitesse rehefa vao maraina noho ny fisian’ireo mpivarotra mpamongady le­gioma. Manao ny ataony koa anefa ireo olon-dratsy.

J.C

Partager sur: