« Miss & Mister malagasy 2024 »: hisolo tena ny diaspora i Andy sy i Stéphanie

Voahosotra ho mpandresin’ny fifaninanana “Miss & Mister malagasy 2024”, i Andy, teo amin’ny “Mister malagasy 2024”, ary i Stéphanie Floriane, teo amin’ny “Miss malagasy 2024”. Raha tsiahivina, ny alin’ny sabotsy teo no nanatanterahina izany lanonam-pamaranana izany, tao Paris, Frantsa. Ny fifaninanana natokana ho an’ireo tanora monina ao Eoropa. Araka ny fantatra, ny mpandresin’ity hetsika ity no misolo tena ireo Malagasy mpila ravinahitra amin’ny fanaovana asa sosialy aty Madagasikara.

Hipoka tanteraka ny tao amin’ny Savigny le Temple, Paris, nandritra ny lanonana famaranan’ny “Miss &Mister Malagasy 2024”. Raha ny fizotry ny fifaninanana, ny volana janoary hatramin’ny volana aogositra ny mpikarakara no nanatanteraka ireo fifantenana manerana an’i Eoropa. 15 lahy sy 15 vavy no voafidy tamin’izany. Ny faran’ny herinandro teo nanatanterahina ny dingana famaranana, izay nahavoahosotra an’i Andy sy i Stéphanie ho mpandresy.

Raha ny tohin’ny hetsika, hiditra amin’ny fanangonana ny vola hoentina manatanteraka ilay asa sosialy aty Madagasikara ny mpikarakara sy ny avy eo anivon’ny Diaspora. Ny volana Septambra 2024 kosa no hanatanterahin’ireto mpandresin’ny “Miss &Mister Malagasy 2024” ireto izany asa sosialy izany, eto Madagasikara.

Lin

Partager sur: