Randrianalison Herizoa : hitondra ny « Olom-pirenena mahay tantara »

Hotontosaina, anio, eny amin’ny foiben’ny arisivam-pirenena Tsaralalàna, ny valandresaka iarahana amin-dRandrianalison Herizoa, nampitondraina ny lohateny hoe « Olom-pirenena mahay tantara ». Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ny « Hetsika 2023: Atrikasa » izao valandresaka hitondrany lohahevitra vaovao izao. Ny hetsika izay manana tanjona hamerina ireo maha izy azy ny Malagasy ary tafiditra ao anatin’izany ny tantara.

Ho velabelarina ao anatin’izany ny vokatsoa entin’ny fahaizan’ny olom-pirenena tsirairay tantara. Hasongadina mandritra izany koa ny voka-dratsy ateraky ny tsy fahaizana sy tsy fahafehezana ny tantara. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, maro ny tsy mahalala sy tsy maharaka akory ny tena tantara nisy, hany ka lasa miteraka fikorontanana eto anivon’ny firenena izany. Antony nanaovana izao hetsika izao, ho anjara biriky entina mamerin-kasina ny firenena.

Lin

Partager sur: