Tantsoroka ho an’ny tantsaha – behenjy : hamokatra akoho gasy 4 000 isam-bolana

Mpiompy akoho gasy ny 80% amin’ ny tokantranona tantsaha eto Madagasikara noho izy haingam-piodina sy mampidi-bola. Nisy ny tantsoroka fizarana fitaovana ho an’ny fikambanana tantsaha Miaradia sy Ezaka nataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, tamin’ny alalan’ ny tahirimbola fampandrosoana ny fiompiana (FEL) tao amin’ny kaominina Behenjy, distrikan’Ambatolampy, faritra Vakinankaratra, ny talata teo. Natomboka nandritra izay ihany koa ny hetsika fanafainganana amin’ny fomba ofisia­ly ny fanaovam-baksiny ny akoho ka hanomezan-danja indray ny fiompiana akoho gasy mampalaza ny faritra ankoatra ny fiompiana bitro.
Tanjona ny hamokatra akoho gasy hatramin’ny 4 000 isam-bolana sy hamatsiany ny faritra manodidina ka hampaharitra ny fihariana any an-toerana sy ny faritra Vakinan­karatra.
Zava-dehibe ny hetsika, hoy ny minisitra misahana ny ny Fiompiana, Dr Raymond, noho izy mampirisika ny mponina hihinana ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana ka miantoka ny fahasalamana. Fa indrindra ho fampirisihana ny fampitomboana ny isan’ny mpiompy akoho aman-borona.

Vatsy
Nahazo akoho gasy ma­herin’ny 600 isa ireo 82 mpisitraka ny hetsika niaraka amin’ ny sakafom-biby manodidina ny 2 t. Nisy koa ny fanolorana an’ireo kojakoja fampiasa an­davanandro sy fampikotrehana atody mahazaka 500 isa, groupe électrogène ary vak­siny. Ankoatra izay, nisy ny fampiofanana an’ireo mpi­ompy matihanina.

Henintsoa Hani

Partager sur: