Tarika mpihira: nanaraka vanim-potoana ny fiforonan’ny anarana

Nandia lalana lava ny tontolon’ny hira ma­lagasy. Maro ny zava-nitranga sy niova tao anatin’izany. Iray amin’ireny ny fiforonan’ny anarana nisaloran’ny mpihira na ny tarika misy azy. Amin’ny ankapobeny, nanana ny antom-pisiany ireny anarana ireny. Vitsy ihany ireo napetapetaka fahatany, na noforomporonina tsy amin’antony !

Tia mihira ny Malagasy. Saika tazana hatrany ny fampiasana azy io any amina sehatra samy hafa. Manamafy izany ny fisian’ny karazan-kira isan-karazany, araka ny filana sy ny zava-misy. Na samy hira aza, hafa mihitsy ny hira ataon’ny Malagasy rehefa hitari-bato, hiantsa, hikalo, hivavaka, sns. Tamin’ny ankapobeny, na teo aza ireo noheverina ho mpitarika (tsara feo, tsara bika, tsara endrika…), tsy mbola nanan-danja ny fametrahana anarana ireo mpihira. Tsy mbola tarika rahateo no niantsoana azy tamin’izany… Nalaza indray ny « fanatikira ». Ny isam-bohitra na tanàna no mifaninana, hany ka zary ny anaran’ireny vohitra ireny no nitondra ny anaran’ireo andiam-pifaninana. Ohatra, ry zareo avy eny Ambohimitsimbina, ny avy eny Ambohinierana, sns.
… Taona 1898, nanomboka fantatra sy nahazo vahana ny teatra. Nipoitra ny anarana « tarika » na tropy. Nosalorana anarana iray tahaka ny Lisin’Iarivo, Analamanga, Antananarivo Teatra, sns, izy ireny. Niova tsikelikely ho anaran’ireo olona nitarika taty aoriana. Tropy Nelson Rasamimanana, Tropy Jeannette, Victor Solo, sns. Saika nipoitra tamin’ireny tropy na tarika mpilalao teatra ireny rahateo ireo mpamoron-kira na mpihira na mpitendry nanana talenta miavaka.

Nahazo vahana ny anaran’olon-tokana

Nandritra ny fotoana naharitra, voatazona hatrany ny anaran’ny tarika, tsy anaran’olona tokana. Ohatra, Ny Railovy, Raozin’ny Paradisa, Ny Antsaly, Les Surfs… Lefy tsikelikely anefa izany. Nihavitsy rahateo ny mpikambana isan-tarika, hany ka mora kokoa ny nampitondra ny anaran’ilay namorona, na ilay « misongadina ». Io tranga io no nanao randra-mitarika hatraty amin’ny taona 1990. Matetika, ireo mpihira no mitondra ilay anarana. Henri Ratsimbazafy, Rakotozanany Stanislas, Odéam Rakoto, …
Nanomboka tamin’io taona io, nahitana fifandanjana ny fiforonan’ny tarika mitondra anarana iombonana sy ireo misalotra ny anaran’olona tokana. Niteraka fiovan’endrika tsikelikely anefa io satria ireo mahatsiaro ho hary elatra, lasa manorina vaovao indray. Tahaka izany hatrany… Nitombo isa ny tarika. Saingy, vitsy ny afaka nitety vanim-potoana !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: