TSELATRA

Hivoaka ny 17 novambra izao ny didim-pitsarana mahakasika ireo olona 10 mianadahy voasambotra nandritra ny hetsika fotsy, ny sabotsy 4 novambra teo. Nolavin’ny mpitsara ny fangatahana vonjimaika ho an’ireo dimy notanana eny am-ponja, omaly. Fivorivoriana tsy nahazoana alalana sy fanaovana herisetra no niampangana azy ireo.

Nihohoka tao anaty tatatra ka namoy ny ainy ny lehilahy iray hitan’ny fokonolona teny amoron’ny rocade eny Ankerana, omaly maraina. Mpandalo no sendra nahatazana ka niantso ny manodidina. Samy manana ny filazany manoloana ny fahafatesan’io raim-pianakaviana io ny mponina eny an-toerana.

Mpifoka rongony sady mpanao sinto-mahery 14 mianadahy voasambotry ny zandarimaria teny Ambohidratrimo, afakomaly. Nandritra ny herinandro, nanao hetsika manokana namongorana ireo mpamaky trano sy mpidoroka zava-mahadomelina ao anatin’io distrika io ny mpitandro filaminana.

Nitora-bato ny angidimby nitondra ny delegasiona hanao fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo. Olona telo voasambotra tao Alarobia Vatosola, distrikan’Andramasina, omaly. Nihorakoraka ary nanakana ny tsy hidinan’io fitaovam-pitaterana io tao an-toerana ny andian’olona.Vokany, lasibatra ka simba ny helisin’io angidimby io ka olona telo voasambotra.

Partager sur: