Hampitomboina ny fiaramanidina hampiasain’ ny Madagascar Airlines. Hampiroboroboina ny sidina anatiny. Ahitana ny ATR 72 sy ny Embraer EI ireo fiaramanidina entina hanatsarana ny tolotra anatiny sy hirosoan’ny orinasa amin’ny sidina iraisam-pirenena. Vonona hanampy an’i Madagascar Airlines ireo mpiara- miombon’antoka sy mpamatsy vola iraisam-pirenena.
Nivoitra nandritra ny famelaberan-kevitra ny kalitaom-bokatry ny dipoivatra mena na tsiperifery (baie rose) ao amin’ny faritra Bongolava. Hojerena manokana ireo singa mitondra otrikaina ao anatiny. Tohanan’ny Organisation mondiale de la propriété intellectuelle (OMPI) ao Génève Suisse ny dipoivatra mena avy ao Bongolava.
Notolorana fitaovana hanamorana ny asany ny dokotera mpitsabo biby, veterniera, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nomena moto miisa 20, « échographe portable 3. Ho entina hanatsarana ny fahasalaman’ny ombivavy beronono sady hikojakojana ny fampanarahana ny entin-tanana voajanahary amin’ ny alalan’ny teknolojia niomerika.
Hamafisina ny lafiny serasera any amin’ny sehatry ny asa vaventy sy ny fanorenana (BTP) any amin’ ny faritra avaratra sy andrefan’ny Nosy, amin’ny lafiny asa vaventy. Nisy ny fihaonan’ny solontenan’ny fitantanam-paritr’i Sava, Diana, Betsoboka, Boeny, Sofia, tanjona ny hanajana ny lalàna sy ny fitsipika.