Vato sarobidy : nisokatra ny birao tokana fanondranana any ivelany

Napetraka ny birao tokana, hisahana ny fanondranana any ivelany ny volamena sy ny harena an-kibon’ny tany sarobidy (GUE), eny amin’ny Mining business center (MBC) Ivato.

Tsiahivina fa naato ny fanondranana any ivelany, satria tsy nampody ny vola vahiny azo avy aminy ny mpandraharaha avy eto an-toerana. Napetraka ny paikady maro hanarenana ny lesoka, ka naverina ny fahazoana manondrana any ivelany indray ny volamena sy ny harena an-kibon’ny tany sarobidy. Anisan’izany ny nananganana ity birao tokana GUE ity.
Navondrona toerana iray ny antokon-draharaham-panjakana rehetra voakasika
amin’ny fivarotana sy ny fanondranana any ivelany ny volamena sy ny metaly sarobidy, toy ny platina sy ny volafotsy, ny vatosoa sy ny vato sarobidy. Napetraka ny hisian’ ny mangarahara, sy ny hanamorana ny fikarakaran’ireo manan-draharaha. Hita ao ny rantsa-mangaikan’ny minisitera miahy ny Harena an- kibon’ny tany, toy ny fitantanana fihariana harena an-kibon’ ny tany, ny Antokon-draharaha mikasika ny volamena, ny laboratoaran’ny harena an-kibon’ny tany. Eo koa, ny ao amin’ny ladoany, ny filaminam-bahoaka (polisy sy zandary), ny tahirimbolam-panjakana, ny antokon-draharaha miady amin’ny kolikoly, sns.
Anisan’ny mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny sehatry ny fanondranana harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ ny hetra. Tsiahivina, fa natao hetra tokana 5% ny aloan’ireo manan-draharaha amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra.
Tanjona amin’ny fametrahana ity birao tokana ho an’ny volamena sy ny vatosoa na metaly sarobidy ity ny hisian’ ny mangarahara sady hanamorana ny fiharian’ny mpandraharaha, ary indrindra mba ho tombontsoa hampandroso ny firenena.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: