Arivonimamo : nahazo milina hanodinam-bokatra

Mitohy hatrany ny taninketsa indostrialy hoentina mampiroborobo ny famokarana manerana ny distrika eto Madaga­sikara. Napetraka ao Arivonimamo, ny alakamisy teo, ny milina indostrialy hanodinana ny mananasy ho lasa ranom-boankazo sy milina mamokatra paty. Hamokatra ranomboankazo 2 000 hatramin’ny 3 000 isan’ora ny milina noho izy hanodina mananasy 1t mba hahazoana ranomboankazo 500l. Vonona hanatsara ny vokatra sy hiezaka hampitombo izany ny tantsaha mpamboly amin’ny nahazoana ny milina ao amin’ny faritra. « Taloha sahirana izahay amin’ny fandefasana ny vo­katra satria tsy mahita mpanjifa ny tantsaha. Ankehitriny, voa­vaha ny olana ary hiroborobo ny toekarena», hoy Rakotoarijaona Herman, tantsaha mpamboly sy mpivarotra mananasy nanomboka ny taona 1975.
Mamokatra mananasy 15 120t ny faritra Itasy ary mila hampitomboina izany ho an’ny fanodidina ao anaty milina
Apetraka ao Imerintsiatosika kosa ny milina fanamboarana paty noho izy mamokatra atody betsaka. Fantatra fa mahatratra hatrany amin’ny 22 500 isa-kerinandro ny atody mivoaka any an-toerana. Araka izany, hamokatra paty 400 kg isan’ora ny ta­ninketsa indostrialy ao Imerintsiatosika. Akora fototra ampiasaina amin’izany ny atody sy lafarinina vita amin’ny varimbazaha.

Henintsoa H.

Partager sur: