Association Psy-kôzy: miantso fanohana amin’ny fametrahana ny foibe fanarenana “psychosocial”

An-jatony ny olona liana tonga nanatrika ny atrikasa momba ny fanarenana “psychosocial” nandritra ny hateloana teny Faravohitra, tamin’ity herinandro ity.

Nikarakara ny atrikasa ny association Psy-kôzy mi­sehatra amin’ ny fanatsarana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara ary hamerina ny hasina ma­ha olona eo amin’ireo olona itrangany. Ni­zara enina ny atrikasa nandraisan’ny mpiasan’ny fahasalamana momba ny saina sy ny olon-tsotra anjara nifototra tamin’ny lohahevitra enina samihafa.
“Entretien motivationnel”, niarahana tamin’ny docteur Vérane Breynaert, psychiatre avy any Lyon, sy Dr Razafin­dra­lambo Kiady. Momba ny fitondrana resaka sy ny fandraisana an-tanana ahafahana mitazona ny risi-po ao anatin’ny fitsaboana ny lohahevitra. Faharoa ny fifampizarana momba ny lohahevitra “Pair-aidante”, niarahana tamin’i Camille Niard sy ny mpitsabo Abdoul Zaitony Masy Samo­sia ary ny mpitsabo Kalotiana Nourah Dora Abdoull. Ny olona miaina fikorontanana ara-tsaina manampy ireo izay miaina tranga toa azy fa na­na­raka fampiofanana teny anivon’ny oniversite mahakasika izany no nisongadina teto.

Nahasarika olona ny fiza­ran’ny professeur Nicolas Franck
Tena nahaliana ny mpanatrika ny atrikasa mo­mba ny lohahevitra «Principes et ou­tils de la réhabilitation psychosociale», niarahana ta­min’ny Professeur Nicolas Franck, psy­chiatre sady mpa­mpianatra any amin’ny Université any Lyon. Izy rahateo no mpiandraikitra ny Centre de ressource de réhabilitation psy­chosociale any Lyon. Nano­tro­na azy tamin’ny fampiofanana nataony ny Dr Fe­no­ha­sina Tojo Jean Fe­li­ci­en. Na­to­kana ho an’ny mpisehatra amin’ny fahasalamana ny lohahevitra Bref izay fampiofanana enti-mampianatra sy mampiasa ho tombontsoan’ny marary sy ny olona raisina an-tanana.
Hatramin’izao, mampiofana ireo mpikambana ao aminy sy mampahafantatra ny mponina malagasy momba ny fanarenana «psychosocial» ny association Psy-Kôzy Ma­da­gascar. Manao antso avo ho an’ireo malala-tanana sy ireo mpamatsy vola hanome tolo-tanana ara-bola ho fananganana ny foibe fanarenana «psychosocial» eto Ma­da­gasikara ho fanampiana ny fandraisana an-tanana ireo olona manana fikorontanana ara-tsaina. Manasa ny rehetra ny fikambanana han­­drotsaka vola izay foy ho fanatanterahana ny tetikasa.

Vonjy A.

Partager sur: