Nanao fanambarana ireo fikambanana marobe eo anivon’ny Upar – Tanà, miara-dia amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Namaly ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa izy ireo tamin’izany.
Nohitsin’ny fanambarana fa hikasa hanakana ny fifidianana amin’ny alakamisy 16 novambra izao ny fanehoan-kevitry ny filohan’io Andrimpanjakana io. Manaja ireo raiamandreny ireo izy ireo. Na izany aza anefa, sarotiny ireto fikambanana ireto. “Tsy hanaiky intsony hanaovana sorona ny tanànantsika, renivohitr’i Madagasikara, ambohipihaonan’ny Malagasy rehetra”, hoy izy ireo, omaly. Notsiahivin’ny fanambarana fa miverina amin’ireo feno taona ny fahefana afaka enina andro, amin’ny alalan’ny fifidianana hany maridrefin’ny fifandanjan-kery politika.
Manahy izy ireo fa sanatria hiteraka korontana ny fampiatoana ny zotram-pifidianana amin’izao andro vitsy mialoha ny daty voafaritry ny lalàna izao.
Manentana ny rehetra handeha hifidy
Nohitsin’ireto fikambanana maromaro ireto koa fa tsy ilaina intsony ny fifampiresahan’ ireo kandidà. “Tsy mahasolo tena ny Malagasy kanefa hangataka fanemorana ny datim-pifidianana izy ireo”, hoy ihany izy ireo. Miantso ireo ray aman-dreny sy tomponandraikitra isan-tokony mba hihaino ireo mpiray tanindrazana manao ny fampielezan-kevitra manerana ny Nosy miandrandra fifidianana koa izy ireo. “Aza avela ny hafa no hanapa-kevitra eo amin’ny toeranao. Zo sy adidy ny mifidy”, hoy ihany izy ireo.
Synèse R.