« Malagasy Mankany » Iadian-kevitra etsy amin’ny IKM

Nitondra fanovana teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ny «Malagasy mankany». Notontosain’i Haminiaina Ratovoarivony, tamin’ny taona 2012 izy ity, ary nahafeno ny fepetra toa ny sarimihetsika vahiny. Nosafidiana manokana ny «Malagasy mankany», halefa sy hiadian-kevitra mandritra ny «S-Art Mihetsika : Ciné-club IKM”, izay hotontosaina ny sabotsy 18 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora. Aorian’ny fijerena ny sarimihetsika, hitarika ny adihevitra i Aina Randrianatoandro. Mpahay tsikera momba ny sarimihetsika izy, ary mahalala betsaka ity tontolo ity. Ho avy eo ihany koa ny mpanatontosa, hiara-hiady hevitra amin’ny mpanatrika.
Hetsika fanao isaky ny sabotsy fahatelo, ao amin’ny IKM Antsahavola izy ity. Natao hananana fijery hafa momba ny sarimihetsika, sy hanatsarana ity sehatra ity. Efa fanao any amina firenena hafa izany, tsy hitondrana tsikera fotsiny fa hanomezana soso-kevitra ho an’ny mpanatontosa ihany koa. Anisan’ny mahaliana ireo mpan­kafy sarimihetsika ity “Malagasy mankany” ity, satria nisy ny fahasahiana izay nananan’ny mpanatontosa raha oharina amin’ireo vokatra hafa.

Zo ny Aina

Partager sur: