Tontosa teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), ny hetsika “Slumourap”, ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo. Tonga maro namaly ny antson’ny mpikarakara ireo mpankafy sy mpandray anjara. Raha tsiahivina, Slam sy hatsikana ary Rap, izay natambatra tao anaty seho iray no natao tamin’ity fotoana ity. Tanjon’ny hetsika ny hanome sehatra ireo talenta vaovao sy hitrandrahana ireo mpanatalenta vaovao.
Tontosa an-tsakany sy an-davany ny hetsika “Slumourap”, na dia teo aza ny savorovoro nisy teto an-drenivohitra. Am-polony ireo tanora nandray anjara tamin’ny ity hetsika ity. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, maro ny tanora manantalenta saingy tsy afaka miseho sehatra noho ny antony maro samihafa. Araka izany, hitohy ny hetsika ary tanjona ny hamelarana azy ho lehibe kokoa, ho fanandratana ireo mpahay kanto manantalenta vao misandratra ireo.
Raha tsiahivina, teny amin’ny Tranomboky monisipaly no voatondro hanaovana ny seho saingy tsy maintsy nafindra teny amin’ny Aft Andavamamba izany, noho ny antony maro.
Lin