Nilatsaka ny fanapahan’ny birao nasionalin’ny TGV, ny faran’ny herinandro teo. “Alana tsy ho mpikambana amin’ny antoko intsony Razanamahasoa Christine ary tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny TGV koa”, hoy ny fanambarana. Anton’izany ny fanambarana narahina fanapahan-kevitra sy fihetsika tsy nifampierany tamin’ny antoko. Tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny TGV izany, araka ny fanambarana. Nohitsin’ity antoko ity fa miteraka savorovoro eo anivon’ny antoko izany, fa indrindra eo amin’ny firenena manontolo noho ny maha filohana Andrimpanjakana azy. “Manohintohina ny filaminan’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka izany. Manakorontana ny fizotry ny fifidianana hatrehin’ny firenena sy andrasan’ny vahoaka”, hoy ny TGV. Nohelohin’izy ireo izao fihetsika nataon-dRazanamahasoa Christine izao. Tsy nahazoany alalana avy amin’ny maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena ny hevitra sy ny fanambarany, araka ny fanambarana hatrany.
Nanamafy izany koa ny eo anivon’ny vovonana Armada. Tsipahin’izy ireo ny fanelanelanan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, misy fironana politika mitanila. Tsy azo ekena koa ny fikasana hametraka Tetezamita na inona antony. “Ny fifidianana ihany no lalan-tokana faritan’ny Lalàmpanorenana, tokony hizoran’ny firenena. Hiteraka krizy ny lalana hafa ankoatra izany ka tsy azo ekena”, hoy izy ireo.
Synèse R.