Barea de Madagascar: hatao avo roa heny ny tambinkaraman’ireo mpilalao

Homena fankasitrahana tsara lavitra noho izay efa nisy hatramin’izay, ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, raha mandresy amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Fanambarana nataon’ny filohan’ny Federasiona malagasy, izany.

Nihazo an’i Ghana, omaly alahady ny Barea de Madagascar hiatrika ny lalao voalohany eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Lalao mandroso hikatrohana amin’ny Kinta­na maintin’i Ghana, ny zoma ho avy izao. Nialoha ny nandehanany, notsofindrano tetsy amin’ny kianja Barea Maha­masina, ny sabotsy lasa teo, izy ireo. Nambaran’Andriama­nam­pisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa hampitomboina avo roa heny ny tambinkaraman’ireo mpilalao, ka ho fantatra tsy ho ela ny momba izany.

Ireo mpilalao avy eto an-toerana miaraka amin’ny mpanazatra no nanainga omaly ka mbola handalo ao Addis-Abeba ny delegasiona izay vao hihazo an’i Accra Ghana. Ao ny delegasiona no hiandry ireo mpilalao mpila ravinahitra, izay mbola nisy niatrika fihaonana, ny sabotsy lasa teo sy ny omaly alahady. Rahampitso talata vao hamonjy an’i Kumasi, toerana hanatontosana ny fihaonana.
Nohamafisin’ny filohan’ny federasiona fa atao tanjona ny hiatrika ny “Mondial 2026″. Tsy mora anefa izany fa mila ny ezaky ny tsirairay fa tsy sanatria hitsangatsangana. “Afaka ny hilalao tsy misy teritery any an-tanin’olona ianareo”, hoy izy. Nisolo tena ireo mpilalao i Tendry izay nisaotra ny federasiona amin’ny fanampiana ary nanome toky fa hiezaka hiady mafy, koa miantso ny vahoaka malagasy hanohana sy hitondra am-bavaka. Ny Me Rôrô indray nilaza fa tsy afaka hanome toky fa hiezaka hiady hatramin’ny farany. Nomarihiny fa manana 3 andro izy ireo, hizarana ny toetr’andro. Ny fanamiana mitondra ny marika Macron no hoentin’ny Barea, amin’ity.

Tompondaka

Partager sur: