Maro ny tokantrano an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra tsy mbola manana herinaratra. Izany no mahatonga ny minisiteran’ny Angovo sy ny Jirama, manao ny tetikasa « fampidiran-jiro mora ».
Natao tamin’ny taona 2021 ny fandaharanasa «fampidiran-jiro mora», tohana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara. Tanjona ny ahazoan’ny rehetra herinaratra isan-tokantrano. Manatanteraka azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, sy ny orinasa Jirama. Nohamoraina tokoa ka tsy mila fahazoan-dalana hanorina trano, fa efa mety ny karinem-pokontany mandritra ny fangatahana.
Maro ny tokantrano efa misitraka jiro ankehitriny, indrindra eny amin’ny fokontany be mponina. Nilaza Rtoa Razanamalala Berthine, mipetraka any amin’ny tanàna iray akaikin’Antsirabe, fa « nisy ny fanentanana nataon’ny mpiasan’ny Jirama nitety ny fokontany, nandresy lahatra anay. Tsy sarotra rahateo ny fikarakarana ny fangatahana ahazoana ny fampidiran-jiro mora. Tsy nandoa volabe fa tena mora tokoa, nefa mahazo herinaratra ».
Famandrihana isam-bolana
Miitatra manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy ankehitriny ity fandaharanasa « fampidiran-jiro mora » ity. Afaka misitraka azy ny maro anisa, indrindra ny fianakaviana sahirana. Manodidina ny 5 000 ny tokantrano misitraka herinaratra. Mandoa 30 000 Ar ahazoana fitambarana kojakoja ahitana jiro manazava, kaontera « prépayé » ary « prise ». 10 000 Ar isam-bolana monja no aloan’ny mpanjifa. Mbola misy 25 000 ny kaontera vaovao efa vonona, ka hahatratra 195 000 ny tokantrano hahazo herinaratra. Hampivoatra ny fari-piainan’ny Malagasy ny fananana herinaratra amin’ny sarany mora sady tsy sarotra ampiasaina.
Njaka Andriantefiarinesy