Fanafihan-jiolahy : Inspektera maty voatifitra teo amin’ny kibony

Namoy ny ainy nandritra ny fitifirana nataona jiolahy nitam-basy nanafika  tranombarotra tao amin’ny kaomi­nina Ambovombe Centre/ Manan­driana, distrikan’Amba­la­vao, ny polisy iray, afakomaly. Jiolahy dimy lahy no niditra an-keriny tao amin’io toeram-pivarotana io.

Nandroaka izay azo nalaina izy ireo ary roa lahy hafa niandry teny ivelan’ny trano. Nahazo fampahafantarana ny mpitandro filaminana ka nijery ny toe-draharaha. Tamin’ny 3 ora maraina, nifanehatra tampoka tamin’ireo jiolahy nitam-piadiana io Ins­pek­tera io. Voa teo amin’ny kibony ity farany. Nitsoaka nandositra ireo olon-dratsy. Niezaka nanavotra ilay polisy naratra ny manodidina ka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy tana intsony anefa ny ainy. Mbola nahavoa fitaovam-pipasohana tao amina tranona mpitandrina iray tsy lavitra ny toerana nangalarany ny basin’ireo olon-dratsy.

Marihina fa anisan’ireo nivoaka tamin’ny andiany Iratra ity lavo am-perinasa ity.

Tsiferana R.

Partager sur: