Fikasana hiditra ny kianjan’ny 13 mey: mpitandro filaminana roa naratra, sivily valo voasambotra

Raikitra indray ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao hetsika fotsy, ny sabotsy teo, tetsy Behoririka. Zandary sy miaramila iray naratra raha sivily valo kosa voasambotra…

Indroa miantaona ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao hetsika fotsy tetsy Beho­ririka, ny sabotsy 11 novambra teo. Nirefodrefotra ny lakrimozenina rehefa mbola nikiry hiditra eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ireo mpitokona. Voasakan’ny mpitandro filaminana teo
amin’ny tobin-dasan­tsy eo Beho­ririka izy ireo, tamin’ny 1 ora sy sasany. Nitora-bato sy nampiasa tora-tady (flèche) nisy bala kanety sy vy ireo mpanao fihetsiketsehana. Vokany, mpitandro filaminana iray vaky handrina ary iray hafa voa teo amin’ny tongony. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso. Niverin-dalana ny mpitora-bato. Mpandalo iray nitondra moto naratra mafy voan’ny baomba. Enin-dahy voasambotra rehefa nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Nandrehitra kodiarana teo Andravoahangy akaikin’ny Look’s indray ireto mpanao hetsika. Niverina nitora-bato. Nanaparitaka izany tamin’ny alalan’ny lakrimozenina indray ny mpitandro filaminana. Ni­ampy roa ireo olon-tsotra tra-tehaka ka nentina natao fanadihadiana. Nifanindry an-dalana tamin’izany, nirefotra koa ny baomba mandatsa-dranomaso tao Ankadifotsy izay nahitana mpanao fihetsiketsehana. Niparitaka ireo mpanao fitokonana taorian’io.

Randria

Partager sur: